Nitondra ny heviny ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa mpikambana eo anivon’ny ONU isika ka tsy afa-miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. «Hanao sahala an’i Burkina Faso isika raha hiala tanteraka amin’ireo iraisam-pirenena ireo. Mbola sarotra ho an’i Madagasikara anefa izany», hoy izy.
Ilaina ny tsy fitovian-kevitra mba hisian’ny fifanakalozana hitondra any amin’ny mahasoa iombonana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny Andafiavaratra, afakomaly. Niatrika ny fivoriana lehibe momba ny jeopolitika ny tenany. Nahatonga solontena ireo firenena 19 aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Mipetraka ny fahaleovantena rehefa mijoro ny olom-pirenena, mifampatoky ny fokonolona ary afaka mamaha ny olany ny fiarahamonina, araka ny fanambaran’ny fikambanana Fonena. Nambaran’izy ireo fa tsy tonga hitondra fampanantenana izy ireo fa hihaino sy hiara-kiasa ary hanaporofo fa miainga eny ifotony ny fiovana maharitra.
Manohana ny fampiharana ny rafitra faritra mizaka tena ny antoko Les As, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, i Voninahitsy Jean Eugene. Nanteriny koa fa fifidianana lalàmpanorenana no hatao. « Tokony hisy koa ny minisitra iray isam-paritra mba hisian’ny fifandanjana », hoy izy.




