Fikambanana Fonena : Ilaina ny tetikasa sosialy ho an’ny vahoaka

Nisedra maodely maro samihafa i Madagasikara, raha ny fampandrosoana no asian-teny, saingy vitsy ny vokatra nana­tsara ny andavanandron’ny isan-tokantrano, raha ny fanambarana nataon’ny fikambanana Fonena tamin’ny mpanao gazety, tetsy Anosy, ny herinandro teo. Mahatsapa izy ireo fa notaizaina ho mpandray tombontsoa fotsiny ny olom-pirenena fa tsy ho tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina misy azy. Vahaolana aroson’izy ireo ny fametrahana fanovana tanteraka ary hatomboka any amin’ny fokonolona izany. Vinan’ny fikambanana ny hisian’ny tetikasa sosialy miorina amin’ny fahaleovantenan’ny vahoaka. Nambaran’izy ireo koa fa any amin’ny fokonolona no hany fototry ny fampandrosoana. Hatramin’izay nijoroan’ny fikambanana, efa maro ny zava-bita mifototra amin’ny ara-tsosialy, toy ny fanorenana sekoly rava, tany amin’ny faritr’i Toliara. Teo koa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra, fametrahana paompy sy fitaovana mandeha amin’ny angovo madio ary ny fane­tsehana ny vahoaka teny ifotony niatrehina ny rivodoza. Ankehitriny, efa miitatra amin’ny faritra hafa toa an’Analamanga ny fikambanana. Hitsangana tsy ho ela ny tambajotran’olom-pirenena hanamafisana ny fahaiza-manao eny ifotony sy ny maro hafa.

Mino

Partager sur: