“Somary sahirana ihany izahay mpanao politika amin’izao. Tsy mazava ny fomba hitondran’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena”. Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Na izany aza, misy zavatra tokony hojeren’ny FFKM ihany. Satria tsy resaka sosialy na toekarena na kolontsaina no hatao, fa politika no tena ngezabe ao anatiny. Ny krizy politika, vahaolana politika ihany no hamahana azy.
“Mandrisika ny FFKM izahay mandra-pahatonga ny volana aogositra, raha lazaina fa fanomanana ny volana jona sy jolay. Mangataka izahay ny hanaovana dinika politika aloha”, hoy izy. Ny mpanao politika no tokony hifampidinika aloha, ary ny FFKM no hitarika an’izay. Tsy afangaro voraka amin’ny raharaha sosialy sy toekarena ny politika. Lasa torapo no be dia be… Maninona, ohatra, no misy olana hatrany ny andrimpanjakana misy? Satria manendry solontena any anivon’ny andrimpanjakana hatrany ny filohan’ny Repoblika: HCC, Ceni, Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM)… Lasa misy tsy filaminana sy tsy fahatomombanan’ny andrimpanjakana… Fantatry ny any ambanivohitra sy ny olon-tsotra ve izay?
Lazaina ny fisaraham-pahefana nefa manendry olona eo anivon’ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika. Sahirana ny fitsarana ny amin’izay. Ny fitantanana politika sy ny fitantanana andrimpanjakana ary ny fitantanana fifidianana no tokony hodinihina amin’ny dinika politika. Hoentina hankatoavin’ny fikaonandoham-pirenena izay fehinkevitra amin’izany. Tokony havahina ireo. Na izany aza, tsy hoe lavina ny dinika momba ny toekarena sy sosialy ary kolontsaina amin’ny fikaonandoham-pirenena.
R. Nd.




