Nilatsaka ny 29 jona teo ny didim-panjakana mamaritra ny fampisondrotana. Hiakatra ho 315 000 Ar ny karama farany ambany eny anivon’ny sehatra tsy miankina. Voalaza ao anatin’izany didim-panjakana izany fa indroa miantoana ny fampiakarana ka ho 300 000 Ar izany ary mbola hisondrotra ho 315 000 Ar amin’ny oktobra ho avy izao. Misongadina amin’izany koa fa nihatra, nanomboka ny volana marsa 2026 lasa teo ny fampiakarana ho 300 000 Ar io. Hisy, araka izany, ny fanonerana ny karama efa-bolana, nanomboka ny marsa teo hatramin’ny jona 2026. Anjaran’ireo mpampiasa eo anivon’ny sehatra tsy miankina ny mandamina sy mandrindra izany, araka ny fanazavana hatrany.
Nialohavan’ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana (MTEFop), ireo solontenan’ny mpiasa mivondrona ao amin’ireo fikambanana ary ny avy amin’ny sendika manerana ny Nosy izany. Notanterahina tetsy amin’ny minisitera, 67 Ha, ny talata lasa teo, ny fihaonana. Nitondrana ny fanazavana ireo andininy voalaza sy ho fiatrehana ny fanamby iraisana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mpiasa ny fiaraha-midinika.
Voalaza sy nivoitra tamin’izany koa fa hanara-maso hentitra ny ho fampiharana ny voalazan’izany didim-panjakana izany ny MTEFop.
Tsiahivina fa efa ny 1 mey teo no niandry sy nitaky ny hampiharana didy fampiakarana ny karama farany ambany ho 360 000 Ar ny Randrana sendikaly. Mbola niandry ihany izy ireo ny 26 jona teo. Niafara amin’ny diabe nataon’izy ireo teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, izany fitakiana izany. « Efa tsy nisy intsony ny fifampiresahana… Aty amin’ny praiminisitra izany ny vahaolana », hoy izy ireo.
Synèse R.




