Nitsidika ny distrikan’i Soalala ny minisitry ny Fanabeam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina sy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, Christine Jaulmes, tamin’ity herinandro ity.
Distrika nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia, ny volana febroary lasa teo, i Soalala, indrindra ny fampianarana. Voatery naato ny fampianarana ho an’ny zaza miisa 10 000 noho ny fahavoazana nahazo ny efitranon-tsekoly. Nametrahana fotodrafitrasa (efitrano) vonjimaika, araka izany, ahazoan’ny mpampianatra manohy ny asany ao amin’ny EPP Ampapamena. Miaraka amin’ny fitaovana samihafa hotsinjaraina amin’ireo sekoly ao anatin’ny Cisco Soalala izany. Avy amin’ny famatsian’ny Fonds central d’intervention d’urgence an’ny Firenena mikambana (Cerf) no nahafahana nanorina ny efitrano fianarana.
Afaka manohy ny fampianarana ny mpanabe ary niatrika ny fanadinana ny mpianatra rehefa tafapetraka ny efitrano vonjimaika. “Porofo izao fa tena ilaina ny manokana sorabola ho an’ny fiomanana amin’ny hamehana samihafa, ahazoan’ny mpianatra misitraka fanabeazana na eo aza ny fandalovan’ny rivodoza”, hoy ny solontenan’ny Unicef.
Manana taham-pahafahana 88,71% ny Cisco an’i Soalala, nandritra ny CEPE 2026, noho ny fandraisana andraikitra nataon’ny tomponandraikitra samihafa ao an-toerana, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza.
Nanomboka ny volana febroary, nanohana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny Unicef, tamin’ny fametrahana efitrano vonjimaika miisa 24 tao Soalala sy Mitsinjo ary toerana fampianarana 215 tany Toamasina sy Brickaville. 120 ny tafo namboarina ary fitaovam-pianarana 55 000 notsinjaraina.
Ankoatra ny Cerf, nanampy be koa ny Bureau des affaires étrangères du Commonwealth et du développement du Royaume-Uni (FCDO) tamin’ny alalan’ny hetsika « Aujourd’hui et demain ».
Vonjy




