Efa miditra manao fanadihadiana momba ireo fananan-dRavatomanga Mamy koa ny rafi-pitsarana frantsay misahana ireo hosoka ara-bola (PNF). Efa tonga ao Maorisy izy ireo.
Tsiahivina fa raharaha famotsiam-bola no anenjehan’ny « Financial Crimes Commission – FCC» azy atsy amin’ity Nosy rahavavy ity.
Mitaky ny karaman’ny sefo fokontany ireo depiote, nanoloana ny minisitry ny Atitany, tamin’ny fifanatrehana amin’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Nohamafisin’izy ireo fa nisy ireo tsy voatendry ho mpitantana eny ifotony intsony. « Tokony hisitraka izany izy ireo ka aleo hozarainay depiote izany », hoy izy ireo.
Nolanian’ny Antenimiera, afakomaly, ny tolo-dalàna mamaritra ny rafitra ara-dalàna momba ny famindrana avy hatrany ho fananan’ny fanjakana ireo tany voasoratra amin’ny anaran’ny vahiny nandritra ny fanjanahantany. Natao izany noho ny fahamaroan’ireo tany tsy voakarakara, manakana ny fampandrosoana sy ny tetikasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka.
Eo am-panomanana ny fandravonana ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny tanora, niainga teny anivon’ny kaominina sy ny distrika ary ny faritra, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, araka ny tapaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra. Hambara aoriana ny daty hanatanterahana amin’ny fomba ofisialy izany fandravonana izany.




