Herisetra amin’ny ankizy : Misy kolontsaina mamohehitra enjehin’ny lalàna

Misy ny kolontsaina tena fandikan-dalàna an-kitsirano ary enjehin’ny lalàna. Anisan’izany ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona izay hakan’ny ray aman-dreny vola. Toy ny fivarotana olona ihany izany ary enjehin’ny lalàna. Eo koa ny fomba izay ny rainy niteraka azy ihany no manao firaisana amin’ny zanany voalohany. Tena fomba mamohehitra sy mamoafady ary enjehin’ny lalàna ihany koa izany.
Mafy ny sazy ampiharina amin’ireny fandikan-dalàna ireny ary iharan’ny lalàna farany ambony mihitsy ny nahavanon-doza sy ny mpiray tsikombakomba, raha ny fanazavan’ny mpitsara. Nilaza ny avy ao amin’ny fitsarana fa efa eo an-dalam-panafoanana ny fampanambadiana ny ankizy tsy ampy taona ny fanjakana amin’izao fotoana.
Ny ankizivavy no tena iharan’ny gejan’ny kolontsaina sy ny fanararaotana.
Misy koa ny faritra izay tsy mitaiza zaza kambana ka manary azy ireny, izay herisetra mivantana atao amin’ny zaza mihitsy izany. Ireo faritra manilikilika ny ankizy manana toe-tena varira. Ny foko sasany mampitsahatra ny ankizivavy amin’ny fianarana noho ny fijery mitanila sy tsy manisy hajany ny ankizivavy.
Efa mandeha ny fandresen-dahatra amin’ireo olobe sy ampanjaka amin’ny fanajana ny zon’ny ankizivavy, ny tsy tokony hanerena azy ireo hanambady, tsy afaka misafidy izay ho andefimandriny fa teren’ny ray aman-dreniny atakalo vola na omby.

Tatiana A

Partager sur: