Manao antso avo ny hisian’ny drafitrasam-pirenena hiarovana azy ireo ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira. Tena mandry an-driran’antsy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny tsy fandriampahalemana. Efa manana ny soso-kevitra ho amin’izany izy ireo, saingy miandry ny fahavononan’ny ambaratongam-pahefana sy ny fahasahian’ny fanjakana.
Amin’izao fotoana, mahatsiaro ho tsy misy mpiaro ireo olona ireo.
Nisy ny vaomiera teknika natsangana tamin’ny taona 2023, saingy tsy laharam-pahamehan’ny fanjakana izany ka rava maina. Nahatsiaro tena ho very ny fikambanana. Nitombo ny fakana ankeriny, famonoana, fampijaliana….
Ankoatra ny fanentanana ireo ombiasy sy ireo manao sorona amin’ny fitrandrahana vatosoa sy volamena, mitaky ny marina ao ambadiky ny firongatry ny famonoana misesy ihany koa izy ireo.
Nanamarika moa ny avy ao amin’ny fitsarana, teny Ankerana, fa misy antony hafa mihitsy ao ambadika ao, ary ny ombiasy no tena manao fitadiavam-bola amin’izany kanefa na izy ireo aza tsy resy lahatra akory.
Tatiana A




