Nivadika ho fangatahana sy fitarainana ny fihaonana teo amin’ny depiote sy ny governemanta. Nilaza ny maharary azy sy ny vahoakany ny ankamaroany. Nisy koa ny dokadoka isan-karazany.
“Momba ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa, ny seha-pamokarana, ny fandriampahalemana, ny vidim-piainana, ny fiahiana ny mponina, ny jiro sy rano ary ny solika, ny asa sy ny fampanana asa, ny fanadiovana ny fandraharahana… Ireo no tena goavana nisongadina tamin’ny fihainoana ireo depiote”. Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, namehy sy namaly ny fanontanian’ireo depiote tamin’ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta, teny Tsimbazaza, omaly. Hay tena nilatsaka an-katerena ny vahoaka malagasy nandritra ny fotoana ela. Ny hanazavana an’izay: tena filana fototra avokoa ireo nangatahan’ny depiote. Mifanojo amin’ny asa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fanavaozana ny fangatahana rehetra.
Rehefa nohenoina ireo depiote, izay no anton’ny fifanatrehana, ny lafiny politika tsy tafiditra ao amin’ny PGE, hahitsy ny drafitrasa fanatanterahana. Satria, tena avy amin’ny vahoaka no nentin’ny depiote. Mitovy ny momba ny fampianarana sy ny fahasalamana, ohatra, hafainganina ny fandraisana mpiasam-panjakana, efa ao ny toerana be dia be misy tetibola tsy nampiasaina nefa efa tany amin’ny 2021-2023-2025, ohatra. Tsy fantatra ny antony. Ao koa ny fangatahana fanorenana na fanarenana efitrano fianarana na CSB… Tsy hifamitaka, ana hetsiny ny efitrano fianarana eto Madagasikara, tsy ho vita ao anatin’ny herintaona. Misy ny tena laharam-pahamehana. Misy, ohatra, ny lalam-pirenena tena laharam-pahamehana: Mahanoro, Vatomandry, Marolambo, Antambao Manampotsy, Anosibe an’ Ala, Mandritsara-Antsohihy, Farafangana-Ihosy, Malaimbandy-Ambositra… Misy ny efa ao anaty programa amin’ity taona ity, ao ny horaisin’ny governemanta fa hatao.
R. Nd.




