Nigadona atsy amin’ny Nosy Maurice ny tarika Rossy. Ny mpikambana iray manontolo mihitsy no hanatontosa ny seho izay tafiditra anatin’ny « Bapampa Be Tour 2026 ». « Hafakely ny fandraisana anay, porofo sahady ny fahamatoran’ny fikarakarana. Efa ela no te hihaona amin’ireo mpankafy sy mpiray tanindrazana aty amin’ireto Nosy Rahavavy ireto ka raikitra izy ity », hoy i Rossy.
Anio alina ny fampisehoana, ho an’i Maurice, ao Quatre-Bornes. Tsy vitan’ny tarika iray manontolo fa niara-dia tamin’izy ireo koa ny Dj Natoo, hanohy ny fanafanana ny fety aorian’ ny fampisehoana. Aoriana kelin’izao ny daty ho an’ny Nosy La Réunion, araka ny efa nambaran’i Rossy nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny talata lasa teo.
Ankoatra izay, mitohy ihany koa ny fitetezam-paritra hataon’ny tarika eto an-tanindrazana. Foana kosa ilay tokony hatao etsy amin’ny tokotanin’ny CCI Ivato, ny 19 jolay izao, araka ny nambaran’ny mpikarakara.
Zo ny Aina




