Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa nasionaly fanamarinana ireo antontan-taratasy stratejika sy ara-pampiharana momba ny fiomanana sy ny famaliana ny hamehana ara-pahasalamana. Eo koa ny ady amin’ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody (Ram) ary ny fanamafisana ny fomba fiasa «One Health» eto Madagasikara.
Entina hanamarinana amin’ny fomba ofisialy ireo antontan-taratasy novolavolaina sy nohavaozina, ho fitaovana fototra amin’ny fisorohana, fitiliana ary famaliana ireo loza sy hamehana ara-pahasalamana izany.
Tafiditra ao anatin’izany ny fiatrehana ireo aretina sy valanaretina toy ny Covid-19, Mpox, Ebola, ireo aretina zoonotika ary ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody (Pan-Ram) ny drafitrasa.
Manoloana ireo fanamby ara-pahasalamana mitombo maneran-tany, manamafy hatrany i Madagasikara ny fahavononany amin’ny fanatsarana ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra fahasalamam-bahoaka, ny biby ary ny tontolo iainana, mifanaraka amin’ny fomba fiasa «One Health» sy ny fenitra iraisam-pirenena RSI.
Ho an’ny vahoaka malagasy, ireo antontan-taratasy voamarina ireo dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fahavononan’ny rafitra ara-pahasalamana, hahafahana mamaly haingana sy mahomby ireo hamehana ara-pahasalamana ary hanamafy ny fiarovana ny fahasalaman’ny mponina.
Tatiana A




