INDRAY MIJERY

Hotanterahina ny 2 novambra ho avy izao, any Frantsa, ny « Journée Pays ». Hetsika hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite malagasy sy frantsay izy io. Oniversitem-panjakana valo ka hatramin’ny 10 no handray anjara ary hisy ny fihaonana matihanina 15 hatramin’ny 20 isan’andro. Hisy se­hatra fisoratana anarana hapetraky ny masoivoho frantsay ho an’ireo mpandray anjara.

Nanamafy ny fiaraha-miasany ny Foibe fa­mantarana ny toetr’andro sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) tamin’ny fanaovan-tsonia ny drafitrasa 2026–2027. Dingana vaovao izy io amin’ny fanamafisana sy fampandrosoana ny fahaiza-manaon’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny famantarana ny toetr’andro. Mitodika amin’ny vahaolana maoderina ny fiaraha-miasa. Sambany no hampidirana ny faharanitan-tsaina artifisialy hanamafisana ny rafitra fanairana mialoha sy hanatsarana ny kalitaon’ny vinavinan’ny toetr’andro. I Madagasika­ra no firenena voalohany eto Afrika nandray tanteraka ny fitantanana sy ny fampiasana ny Maptool ka lasa tomponandraikitra feno amin’ity fitaovana fanaraha-maso ny haintany ity.

Partager sur: