Mozika rock : Hizara ny tontolony ny The Revery

Ny anarana no amin’ny teny vahiny, toy ireo tarika mpivoy ny rock malaza maneran-tany… Fa tarika ivondronana Malagasy mpanakanto kosa ny The Revery. Mirona amin’ny mozika rock ary ma­nan-kozaraina amin’ireo mety hankafy izany ry zalahy. Misy antony matoa noraisin’ny IFM Analakely haneho ny kantony an-tsehatra, rahampitso amin’ ny 3 ora tolakandro, ny tarika. Fotoan-dehibe ho an’ny The Revery io, satria seho goavana voalohany ho an’ny tarika.
Nitsangana ny taona 2017 ny tarika The Revery. 4 mirahalahy ireo mpikambana : Antonio eo amin’ny amponga maroanaka, Kiady sy Axel samy mpitendry gitara, Ric­car­do sady mihira no misahana ny gitara beso. Vetivety dia nametraka ny anarany ny tarika, noho ny fivoizany mozika vaovao, nitondra fironana hafa amin’ny mozika rock. Mozika mafonja, mivoy lohahevitra mafonja, toy ny fiarovana ny tontolo iainana, ny karazam-pihetseham-pon’olombelona, sns. Ao anatin’izany ny fanehoana ilay fahalalahana ma­ha­sarotiny ny mpiangaly rock, izay tanan’ny The Revery. Hita taratra anatin’ilay rakikira « Alina », nivoaka ny taona 2024 io. Tafiditra indrindra anatin’ny fampahafantarana ny vokatra ny seho, satria tsy mbola tena niparitaka ny rakikira.

Zo ny Aina

Partager sur: