Notanterahina teny Fiadanana, tamin’ity herinandro ity, ny « Conférence des présidents des universités élargies », notarihan’ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy.
Nivory nivantana sy tamin’ny ampitain-davitra ireo filohan’ny oniversite sy oniversite manakaiky vahoaka, ireo tale jeneralin’ny IST ary ireo tomponandraikitra avy amin’ny sekoly doktoraly. Anisan’ny lohahevitra nodinihina ny vatsim-pianarana ka nampahatsiahivina ireo oniversite rehetra fa zava-dehibe ny fandefasana lisitra marina sy voamarina tsara, satria miteraka olana amin’ny fikarakarana ny vatsim-pianarana ny tsy fahatomombanan’ireo antontan-taratasy voaray. Ho an’ny fanadinana bakalorea, eo am-panomanana ny «manuel de procédure» hamaritana mazava ny andraikitry ny tsirairay ny minisitera, araka ny toromarika nomen’ny Praiminisitra. Mandroso ihany koa ny fanomanana ny laza adina sy ireo fikarakarana rehetra, ary hisy ny fanampiana solosaina ho an’ireo oniversite izay nangataka izany.
Momba ny ora fanampiny ho an’ny mpampianatra mpikaroka, mbola maro ireo oniversite tsy nahafeno na mila manitsy ny antontan-taratasy momba ny ora fanampiny ho an’ny taom-pianarana 2021-2022. Nohamafisina fa tsy afaka miroso amin’ny fandoavana ny minisitera raha tsy feno ireo antontan-taratasy takina.
Nampahafantarina ihany koa ireo didim-panjakana sy didy aman-dalàna vaovao hanatsarana ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Iray amin’ireo ny didim-panjakana momba ny fanamafisana ny fahafahan’ny nahazo diplaoma miditra amin’ny tontolon’ny asa, ny didim-pitondrana momba ny fiantohana ara-kalitao. Manampy ireo ny didim-panjakana manavao ny rafitra fandaminana eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Fanatsarana natao ny fametrahana sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany isaky ny oniversite sy «Centre régional des œuvres universitaires» (CROU) isaky ny oniversite izay harindran’ny «Coordination nationale des œuvres universitaires» (CNOU).
Vonjy




