Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nanaitra ny rehetra sy nanao antso avo ny tenany tamin’izany.
Nambarany fa mahazo vahana tanteraka ny fandikan-dalàna amin’ny endriny samihafa eto amin’ny firenena, indrindra rehefa mandalo vanim-potoana tahaka izao. «Mitaky ny fandraisana andraikitra haingana sy anatin’ny fotoana fohy avy amin’ny rehetra izany mba tsy hiroaroa saina ny olom-pirenena», hoy izy.
Nanteriny tamin’izany fanehoan-keviny izany fa tena tsy mora ny lalana mizotra mankany amin’ny fanavaozana. Mbola ho eo hatrany ny tsy fankasitrahana sy ny tsy fitovian-kevitra. «Mbola ao koa ireo tsy maty voalavo an-kibo. Na eo aza anefa izany rehetra izany, tsy maintsy apetraka ho lohalaharana hatrany ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy», hoy ihany izy.
Anisan’ny notsiahiviny fa mbola maro ny fanovana andrasan’ny olom-pirenena amin’izao faha-66 taona, aty aoriana, niverenan’ny Fahaleovantena izao. Fotoana hanehoantsika ny tena fitiavan-tanindrazana izao, raha ny nambarany. «Hiara-kisalahy isika ho amin’ny fanavaozana ny firenena. Hiaraka hanangana Madagasikara vaovao», hoy izy. Mba ho firenena matanjaka sy mandroso ka tsy ho raraka an-tany ny tolona ho an’ny fahafahana, nataon’ireo razantsika, araka ny fanambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo.
Synèse R.




