Fanabeazana : Maro ireo laharam-pahamehana sy maika

Niresaka ireo laharam-pahamehana mahakasika ny fanabeazana ny minisitra ary nanasongadina ireo asa maika sy ny tatitry ny asa vita.

Nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny faran’ny herinandro teo no niresahana momba ny fandraisana mpampianatra, ny tambin-karama, ny fampitaovana an-tsekoly ary ireo tetikasa fanabeazana tanterahin’ny minisitera.
Nohazavain’ny minisitra, Rajaonarison Sendra Nirina, tamin’izany fa manoloana ny habetsakin’ny mpampianatra ENF izay miisa 118 000, manao ny ezaka ny fanjakana ary efa manomboka ny “recrutement poste budgétaire 2025”, amin’izao fotoana izao. Manaraka ny masontsivana napetraka izay manome tombony ho an’ireo zokiny sy ela niasana izany. Efa vita tanteraka koa ny «recrutement» eo anivon’ny ENS.
Mikasika ny tambin-karama, manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola momba ny fikirakirana ny “vacation”. Misy ireo efa misitraka izany ary misy kosa ireo mbola eo am-panatanterahana ny fikarakarana ara-pitantanana.
Mitohy kosa ny ezaka amin’ny fampitaovana an-tsekoly, indrindra amin’ny fizarana dabilio sy ireo fitaovana ilaina mifanaraka amin’ny filan’ny sekoly sy ny isan’ny mpianatra.
Nitondra fanazavana koa ny fanendrena ny lehiben’ny Cisco. Amin’ny alalan’ny “AMI” no hanatanterahana ny fifantenana azy ireny araka ny fepetra sy ny naoty navoaka.
Hisy ny vaomiera manokana hiantoka ny mangarahara sy ny fanarahana ny fenitra amin’ny fisafidianana ireo mahafeno fepetra.
Momba ny fampisakafoana an-tsekoly dia politikam-panjakana entina miady amin’ ny fialana an-daharan’ny mpianatra. Tamin’ny taom-pianarana 2025-2026 dia mpianatra miisa 959 653 no nisitraka izany. Misongadina ny fahavitrihan’ny mianatra amin’ireo sekoly mampisakafo any am-pianarana. Any amin’ny faritra sasany dia ny ray aman-drey mihitsy no tsy mandefa ny zanany mianatra rehefa tsy misy ohanina any am-pianarana.

Tatiana A

Partager sur: