Miatrika ny fanadinana BEPC ireo tanora miisa 327 815 manerana ny Nosy, manomboka androany. Hosantarina amin’ny taranja Malagasy izany, izao maraina, izay haharitra ora 3 mahery. Hitohy amin’ny taranja SVT ny tolakandro.
Nanantitrantitra ny fanjakana ny amin’ny maha zava-doza ny fanaovana karazana hosoka amin’ny fanadinam-panjakana.
Voarara ny misolo mpiadina na mampisolo tena mandritra ny fanadinam-panjakana, na ho an’ny nosoloina na ho an’ny mpisolo. Mety hiteraka fandroahana avy hatrany hiala ny efi-tranom-panadinana, mety hiafara amin’ny fandrarana tsy fiatrehana fanadinam-panjakana ao anatin’ny 1 ka hatramin’ny 3 taona izany ary mety hahavoasazy, araka ny lalàna manan-kery.
Hosoka ny fitondrana fitaovam-pifandraisana na fitaovana elektronika ao anaty efitranom-panadinana.
Mila manaja ny lamina rehetra apetraka mba tsy hisian’ny fikorontanana hanelingelina ny fifantohana mandritra ny fanadinana.
Ho an’ny mpitsara fanadinana kosa dia fandikan-dalàna ny fanovana naoty sy ny hosoka mandritra ny fitsarana ny taratasim-panadinana. Mety hiteraka sazy ara-pitondran-tena sy sazy ara-pitsarana izany.
Hatreto, tsy mbola nisy ny feo mandeha ny amin’ny fivoahan’ny laza adina mialoha toy ny niseho 2 taona nisesy izay miteraka korontana sy fanovana maro mandritra ny fanadinana ka mampisavorovoro ny sain’ny miadina sy ny ray aman-dreny.
Tatiana A




