Nanampy betsaka ny ray aman-dreny amin’ny fitadiavana sekoly ho an’ny zanany mbola kely ny “Foaran’ny ankizy sy ny fanabeazana” (salon de l’enfance et de l’éducation), natao tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano, ny sabotsy teo. Andiany faharoa, nokarakarain’ny PolyForm Academy. Tanjona ny hanampiana ireo ray aman-dreny mitady sekoly ho an’ny zanany mbola kely. “Ny fahazarantsika dia aorian’ny fianarana kilasy famaranana foana no misy salon fa tsy misy mihitsy izany ho an’ny ankizy kely”, hoy Ramamonjisoa Onja, tale jeneralin’ny PolyForm Academy. Nambarany ihany fa ny scolarité ho an’ny ankizy any amin’ny farany ambany no tena herin’ny zava-drehetra ka antony nanaovana ny hetsika. “Nampivondronana ireo sekoly rehetra manomboka amin’ny crèche hatramin’ny kilasy famaranana. Izay manao ny fombam-pampianarana amin’ny teny frantsay, anglais, chinois ary Montessori”, hoy ny tomponandraikitra. Manodidina ny 16 ireo sekoly nandray anjara nanao fampirantiana teny an-toerana. Tafiditra tao anatin’ny hetsika ny fivarotana ireo fitaovana entina manampy ny fampitana fahalalana ho an’ny ankizy. Toy ny sensorielle, mathematic, géographie, langage, vie pratique, ludique, séance, fianarana loko sy ny maro hafa. “Manampy ny ankizy hahazo kokoa ny lesona tsirairay izay ampitain’ny mpampianatra azy ireo mba tsy lesona be fotsiny fa zavatra azo tsapain-tanana mihitsy”, hoy Caroline, mpitantana ny Pre-montessori.mdg.
Mino




