Nisitraka fitaovana ireo laboratoara eny anivon’ny hôpitaly lehibe. Nahazo izany ny CHU Analankininina sy ny CHU Morafeno ao Toamasina. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny Tetikasa PPSB, sy voarindran’ny UCP ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola izany. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fahasalamana hositrahan’ny vahoaka.
Bus 84 isa no hiasa hitatitra ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana BEPC amin’ity herinandro ity. Ho maimaimpoana izany amin’ireo zotra maromaro andehanany. Miisa 21 ireo zotra andehanan’ireo fiara ireo. Hiasa mandra-pahariva hanamora ny fivezivezen’ireo mpanala fanadinana.
Nihaino mivantana ireo filohan’ny mpianatra eny Vontovorona ny minisitra. Nambaran’ireo mpianatra ny olana sedrainy sy ny fitakiany. Hafainganina ny famerenana sy fanatsarana ny famatsian-jiro sy rano, ny fanamboarana ireo toeram-pidiovana, ny fanarenana ireo trano simba, ny fanamafisana ny tamboho manodidina ny sekoly, ny fametrahana mpiambina ary ny fandrindrana ny fidirana sy ny fivoahana ao amin’ny toeram-pianarana.




