“Festival Dona Be” – Antsohihy: “Harenina ireo lesoka”, hoy i Dadi Love

Efa mipetraka ny anarany ao Antsohihy. Miakatra tsikelikely, ezahina ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny Faritra Sofia sy Antsohihy manokana ny “Festival Dona Be”. Mba tsy ho fandalovana fotsiny ny Faritra.

Hiditra amin’ny andiany faha-4. Hotontosaina ny 23 hatramin’ny 26 jolay ho avy izao ny “Festival Dona Be”, ao Antsohihy. He­tsika ara-kolontsaina, fa natao indrindra koa hampiakarana ny lazan’ny Faritra Sofia, indrindra i Antsohihy, izay renivohi-paritra, izany. Nisy ny fampahafantarana ny andinindininy, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo, omaly.
“Harenina ireo lesoka hita nandritra ireo andiany taloha. Mampanantena izahay fa hiavaka ny amin’ity”, hoy i Dadi Love. Tsy mpanakanto handray anjara fotsiny fa izy mihitsy no tompon-kevitra tamin’ny hetsika, sady mpikarakara fototra ny “Festival Dona Be”. Tsy izay ihany fa nanambara ihany koa ry zareo mpikarakara fa hivelatra amina sehatra maro ny hetsika, amin’ny maha “festival” azy. “Lafiny mpanakanto, nezahinay nampitomboina ny isa tamin’ity. Misy ireo tian’ny tanora dia nantsoina. Ao koa ireo efa zokiny, fa mbola be mpankafy. Tsy ny zanaky ny Faritra ihany no homena sehatra fa ireo tarika tadiavin’ny mponina ihany koa”, hoy hatrany i Dadi Love.
Tsy ny hira sy mozika ihany anefa no endri-kolon­tsaina voizina mandritra ny “Dona Be”, na dia ireo aza no mibahana. Nampanantena ny fanatsarana ny filaharambe na ny “carnaval” ihany koa ny mpikarakara. Hasongadina koa amin’ity ny hainahandro mampiavaka ny Faritra Sofia, raha tsy hilaza afa-tsy ny drakaka. Ankoatra izay ny famohazana ireo fomba amam-panao tsimihety, ny dihy, fitafy ary taovolo nentim-paharazana, sns.
Tsy tanàna mahavantana ny mpizahatany i Antsohihy. Mba tsy ho fandalovana fotsiny fa ho fanoitra ho an’ny toekarena ao an-toerana koa no antony iray nanaovana ny “Festival Dona Be”. Lafiny fiarahamonina, hisy ny fitiliana sy fitsaboana maso maimaimpoana mandritra ireo dimy andro ireo. Eo koa ny fora zaza iombonana, ny fanomezan jiro ireo fokontany maizina, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: