Vanim-potoana tsy manam-piafarana? Mihitsoka ao anatin’ny «Mitady ny very ny Malagasy»? Taona 1896, vao nalain’ny Frantsay an-terisetra ny fahaleovan-tena. Nandalo sy nisongadina be teo amin’ny taona 1960. Nandalo ny 1972… Hatramin’izao, mbola mitady ny very hatrany ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina.
Efa mila ihoarana ny «Mitady ny very» raha tiana ny hampivelatra ny kolontsaina malagasy sy ny maha Malagasy iray manontolo. Efa nisy maro ireo very no hita. Ireny no omena hery sy tanjaka. Hampahafantarina ny taranaka miaina amin’izao, mba ho fitaovana hoenti-mandroso sy mampandroso. Io dingana io no mila omena fotoana lehibe.
Vanim-potoana ankehitriny, efa hita ny kalon’ny fahiny. Omena sehatra lehibe (haino aman-jery, fampisehoana, tambanjotran-tserasera…) hivelarany. Efa hita ny dihy malagasy. Atao tahaka izany ihany koa. Efa hita ny fanajana ireo fomba amam-panao sasany. Ampitaina any amin’ireo taranaka izany fahalalana izany mba hananany (fomba amam-panao) fivelarana. Efa tafaverina eo amin’ny raiamandreny ny fahaiza-milalao ny fanorona. Omena kianja malalaka izy ireo hoentiny mampianatra ny tanora, sns.
… Tsy misy firenena mandroso amin’ny zavatry (teny, kolontsaina, fomba amam-panao…) ny hafa. Raha mbola omena ampaham-potoana lehibe, anefa, ny fitadiavana ny very. Vao mainka hamotsotra ny efa eo an-tanana indray ny tsy fametrahana lanja sy hasina azy ireny.
HaRy Razafindrakoto




