Angola Bagasy: Hamelomaso ireo hira tsy tontan’ny ela

Tafatsangana ny tarika Angola Bagasy. Mahalaza be ny anarany, satria ny hamelomaso ireo hira tsy tontan’ny ela no tanjona voalohany tamin’izany. Mpanakanto efa nilomano ela tanatin’ny bagasy rahateo no niara-niketrika an’izany. Zokiny indrindra ao amin’ny tarika i Beauzaka, izay fantatra indrindra amin’ny fanaovana hira misy hatsikana. Anisan’ny angadiny ny famerenana ireo sanganasan-dry Odeam Rakoto, Bouboul, sns. Manaraka azy Ralanto, izay efa ela niangaliana ny bagasy. Sady mpihira no mpitendry valiha sy gitara Ra­lanto. Rijakely, fantatry ny maro amin’ny feony miavaka kosa no manampy azy. I Hoby « Saka », tsy zoviana amin’ny fitendrena ny bagasy an-gitara. I Litsakely no miantoka ny zavamaneno ravaka. I Mbola Talenta kosa no misahana ny fandrindrana ny tarika, sady tompon-kevitra rahateo amin’ity tetikasa ity. Izy 6 mirahalahy ireto, hatreto, no mpikambana ao amin’ny Angola Bagasy. Ankoatra ny fitiavana ireo hira tsy tontan’ny ela, samy mpamoron-kira avokoa izy ireo.
« Hamelona, hampahafantatra ary hanandratra ireo hira bagasy izahay. Eo koa anefa ireo sanganasanay tsirairay avy amin’ny maha samy mpamorona. Efa natetitetika ny fiarahanay niketrika tato ho ato, ka haroso amin’ny mpankafy amin’izay ny vokatra », hoy ny nambaran’i Mbola Talenta.
Sady seho andrana ny fanombohan’ny tetikasa ho an’ny Angola Bagasy ny 30 aogositra izao, eny amin’ny Espace L’Arancia Ankadindra­tombo. Mialoha izany, hivoaka tsy ho ela ny rakitsary voalohan’ny tarika. Efa maromaro rahateo ireo hira vita fandraisam-peo.

Zo ny Aina

Partager sur: