Ao anatin’ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fisorohana ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST/VIH) sy ny fampiroboroboana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, nanolotra kapoty ho an’ny lehilahy (préservatifs masculins) sy takela-panentanana momba ny VIH/Sida ho an’ny Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports (DRJS) ny DRSP Bongolava.
Mikendry ny hanamafisana ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-pahasalamana ho an’ny tanora, amin’ny alalan’ny fanomezana vaovao marina sy fitaovana ilaina amin’ny fisorohana ny IST/VIH ary ny fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana no laharam-pahamehana ao anatin’izany.
Santionany amin’ireo fisehon’ny fiaraha-miasan’ireo sehatra rehetra any ifotony miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izao, satria ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny tanora dia antoky ny fanorenana Firenena salama sy matanjaka.
Manana sampana miandraikitra ny fahasalamana ho an’ny tanora sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny direction régionale de la jeunesse et des sports (DRJS) izay miara-miasa akaiky amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.
Vonjy




