Hala-jaza : Voakitika ifotony ny kolontsaina malagasy

Zaza very atsy, zaza very aroa. Tao anatin’ny andro vitsivitsy monja, nahatratra 172 ny filazana sy fitarainana ho an’Antananarivo sy ny manodidina fotsiny. Samy manana ny filazany ny tsirairay. Tahaka izany koa ny tontolon’ny kolontsaina.

«Ny zanaka no harena », hoy ny Ma­lagasy. Misesy ny hala-jaza indrindra fa ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Izany hoe, very harena ny Malagasy. Very harena ny ray aman-dreny. Matetika, tsy mijanona hatreo amin’ny fakana an-keriny ilay fahaverezan-jaza fa miafara hatrany amin’ny famonoana sy fandatsahan’aina. Voakitika ifotony ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy.
Fahiny, na ny zavatra aza tsy sahin’ny Malagasy hangalarina. Tainomby mivadika, tsy misy maka, satria, efa fantatra fa manan-tompo. Ankehitriny, olombelona no hangalarina. Tany ambadik’Imanareza, na mangina tahaka inona aza ny lohasaha. Tsy mba nanararaotra izany ny Malagasy ka naka na nangalatra ny fananan’ny hafa, satria, fantany tsara fa eo an-tampon’ny loha Ilay Nahary (Zanahary).
Hatramin’izao, tsy mbola mazava ny tena antom-pisian’ny hala-jaza na halatr’olona sy ny mampirongatra be azy tato ho ato. Ny azo antoka, simba hatrany ifotony ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Sao mba tsy ilay Malagasy fahiny intsony aza ny Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao ?
… Izany hoe, nahitana fiovana goavana be ny fomba fisainana, kolontsaina sy soatoavina, ny fiarahamonina iray manontolo mihitsy. Fiovana izay tsy amin’ny endrika ivelany fotsiny fa hatrany amin’ny atifanahy. Vokatr’izay, nanjary tsy sahaza ny Malagasy ny tranga iainany. Tanjon’ny firenen-dehibe io. Korontaniny, sahiraniny, hitsahiny, sns, mba tsy hahalala intsony ny momba azy ka ho mora badoina, hambakaina, viraviraina, hosena an-tampon-doha, ha­nao randrana tsy manendrika azy, sns.
… Raha ny tantara, efa talohan’ny 1896 no nametraka io paikady io ny mpanjakazaka an-tanin’olona. 130 taona mahery aty aoriana, tsy mbola fantatry ny Malagasy ihany ny fisiany ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: