Hisokatra manomboka ny 14 jolay izao ny lalana tapaka manoloana ny farihin’Anosy mihazo ny kianja Barea Mahamasina. Hiverina toy ny mahazatra teo aloha ny lalan’ny fifamoivoizana amin’io faritra io.
Mampahafantatra ny mponina ny CUA ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa PIAA2 fa hisy fanovana eo amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eny amin’ny faritra Anosy sy Mahamasina. Tanjona ny fiarovana an’Antananarivo amin’ny tondradrano. Ny lalana miova dia eo amin’ny Koots Food Mahamasina hatreo amin’ny “rond-point” Sainte Famille. Hikatona mandritra ny fanatanterahana ny asa, ary vinavinaina ho vita amin’ny volana septambra.
Ao anatin’ny fiomanana amin’ny taom-pamokarana dia manatanteraka ny fametrahana ny bois rond na “aiguille” eo amin’ny Barrage Ikopa Tanjombato ny Apipa. Ireo aiguilles ireo no ampiasaina hifehezana ny fikorianan’ny rano avy amin’ny Reniranon’Ikopa, mba hahafahana mampiditra rano ao amin’ny lakandrano GR, izay manondraka ny tanimbary ao amin’ny lemak’i Betsimitatatra sy ireo faritra manodidina.




