Tsy hita intsony ny teny hoenti-milaza ny zava-miseho eto Madagasikara. Tongan’ny mpampihorohoro tsotra izao eto amin’ny firenena. Tsy vitan’ny mandatsaka ainy, fa tena mamorina ny saina sy ny fanahy. Tsy ny fianakavian’ny lasibatra, na ireo nieren-doza avotra soa aman-tsara no mahita faisana, fa ny sarababem-bahoaka iray manontolo. Tsy ampy intsony fitandremana raisin’ny isam-batan’olona fa mahita hirika foana ny olon-dratsy.
Na ny mpitondra fanjakana aza hatreto miraviravy tanana. Nahetsika ny andiana miaramila an’arivony, manampy tosika ny polisy sy ny zandary. Maika mamitombo ny tahotra ny fahitana azy ireo mirodorodo. Mila paikady matotra sy tsy re-tsaika ny ady amin’ny asa fampihorohoroana. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy ka mila jerena manokana koa ny momba izay. Izao indray aza mbola asina resa-bola tambiny na valisoa ny fanenjehana ny olon-dratsy.
Ny Malagasy efa zatra toloram-potsiny ity sy ny fitiavam-bola diso tafahoatra ve tsy mainka hanaotao fahatany hifanondro-molotra indray. Marary mafy ilay firenena sy ny vahoakany ka mila fanafody mandaitra sy tsy asina takalony. Efa fantatra rahateo, hoy ny filoha sy ny praiminisitra ny ao ambadika koa inona no sakana tsy hanenjehana sy hisamborana azy ireny. Indrindra ny mpiray tendro isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany.
Mazava be fa tsy ny any Dubai na ny any am-ponja no mamono mpiray tanindrazana fa olona eto an-toerana ihany. Mila mijery ny manodidina ihany koa ny mpitondra sao varivarian’ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso. Tsy tokony hijanona amin’ny resaka politika ihany koa. Mila mandefa lavidavitra ny famotorana sao mba misy resaka ekonomika sy fahasalamana noho ilay halatra taova.
r.r




