« Génération 2000 » : Nokarohina ireo mpanakanto tadiavin’ny mpankafy

Fanembonana ny fahazazana sy ny fahatanorana. Fampiarahana an-tsehatra ireo indray nihira tamin’ny taona 2000 ihany koa. Namaly ny antson’ny mpankafy ireo mpanakanto.

Hiverina ry 18,3. Hafa­liana ho an’ireo mpankafy azy ireo tany amin’ ny taona 2000 izany. Anisan’ ireo tarika hiaka-tsehatra man­dritra ny «Génération 2000» andiany faha-5, izay hatao ny alahady 19 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, izy ireo. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, omaly, teny amin’ny Yas Andra­haro.
«Tena fampiarahana ireo mpanakanto nanana ny lazany, nametraka tantara teo amin’ny mozika io. Nisy ny fikarohana izay nataonay SR Event, araka ny fangatahan’ny mpankafy. Tsy mora ny nandresy lahatra azy ireo hiverina an-tsehatra, saingy ny fitiavana ny mozika no ambony indrindra», hoy ny nambaran’i Sylvano Ratsimandresy, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny SR Event, sy tomponandraikitra tamin’ny « Géné­ration 2000 ».
Ankoatra ny 18, 3, hiverina ihany koa, amin’io, ny tarika Fascination. Efa ela koa no ni­antsoantso azy ireo mba hiaka-tsehatra indray ireo mpankafy, ka ho tontosa izany amin’ity. Ny Tempo Gaigy izay fanintelony amin’ity no handray anjara, toa an’i Tovo J’Hay sy i Spy D ihany koa. Efa nandray anjara tamin’ny farany ary andrasana hatrany ihany koa ry Marion sy Ima­gine.
«Hisy mpanakanto roa tsy ampoizina kanefa fantatray fa be mpankafy koa ho avy ao. Ho maromaro ny fampiaraham-peo eo amin’ireo mpanakanto amin’ity. Hotendrena avokoa ireo hira rehetra, na dia hisy ihany aza ny DJ hanampy azy ireo», hoy hatrany ny mpikarakara.

Zo ny Aina

Partager sur: