Tarika Solika, Ny Voamaintilany, Imangarivo, Gasy miangola, Odeamson, Lizah Raseta, Rakitry ny Lasa, Angolan’ Imerina, J. Andriamanantena, Andriampaniry, Nelle MR Razafy. Tarika sy mpanakanto mahatratra 10 mahery no hifandimby hanafana ny sehatra ao anatin’ny 2 andro misesy. Ny sabotsy 18 jolay sy ny alahady 19 jolay, samy manomboka amin’ny 11 ora atoandro, ao amin’ny Ny Railovy andohan’Analakely.
Samy manana ny mampiavaka azy avy izy ireo. Iraisana kosa ilay karazan-kira mampahatsiahy ny fahiny, mitondra embona sy hanina. Manome lanja lehibe ny kolontsaina sy ny zavakanto ho fitaovam-panabeazana sy fampitana ny soatoavina, sns. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-28 taonan’ny Radio Feon’Imerina ity fampisehoana rindrankira ity.
Raha tsiahivina, ankoatra ny fampahafantarana ny zavakanto sy ny kolontsaina eto amin’ny faritr’Imerina, nataon’ity Radio ity ho laharam-pahamehana ihany koa ny fametrahana hatrany ny « harena ny fahasamihafana ».
HaRy Razafindrakoto




