Kolontsaina sy soatoavina: Miaina ny tsy sahaza azy ny Malagasy

Tsy nahavita ny adidiny ny ray aman-dreny? Fahiny, fa­hagola, tany ambadik’Ima­nareza, raha ny tadidy vava sy ny lovantsofina, niaina tao anatin’ny fiarahamonina tsara rindra ny Malagasy. Nifanaja, nifanampy… Taona 2026, ireo « vaventy », mitelina ny « ke­ly ». Zaza, tanora, halaina an-kery, vonoina sy halatsak’aina. Tsy mba nahazo ny fanabeazana sahaza azy ireo manatanteraka izany? Iza no mpanabe? Ireo raiamandreny sy ry ray aman-dreny.
Mbola Malagasy ve ny Malagasy? Manangasanga any ho any ny tsy haha malagasy azy intsony atsy ho atsy. Ahitana taratra izany ny fiainana sy fanindrahindrana ireo kolontsaina sy soatoavina tsy sahaza azy. Mirehareha fatratra ny ray aman-dreny fa any amin’ireo sekoly mampiasa sy miteny teny vahiny no mianatra ny zanany.
… Tsy mba hita teo amin’ny fiarahamonina malagasy fahiny ny fomba fisainana tahaka izany. Ankehitriny, miaina ny tsy sahaza azy ny Malagasy. Saika amin’ny lafim-piainana rehetra, ahitana io tranga io avokoa. Mora resitosika ve ny ray aman-dreny ka tsy afaka nanabe ny zanany tahaka ny nanabeazana azy? Sa, ilay fanabeazana azony mihitsy no ratsy fototra?
Izao vanim-potoana izao ihany koa, anefa, no mampahafantatra tsikelikely ny tena Malagasy sy ireo kisarintsarina Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: