Mandry andriran’antsy ny ray aman-dreny manoloana ny hala-jaza sy famonoana tanora amin’ny fomba feno habibiana nisesy tato ho ato. Mila tsy ho avoaka ny trano intsony ny ankizy sy ny tanora manoloana ny tahotra sy ny tebiteby.
Na fanakorontanan-tsaina io na resaka politika dia miantraika amin’ny vahoaka ny zava-misy ary mampivarahontsana satria na lasa verivery saina na maty mihitsy izay tratran’ilay fangalaran’olona.
Miandry ny famaizana fara tampony hihatra amin’ny nahavanon-doza ny rehetra. Liana mafy ny hahafantatra ny olona fototry ny fangalaran’olona ihany koa. Inona no anton’ny fangalaran-jaza? Atao inona? Iza no tompon’antoka amin’izao tranga mamohehitra izao?
Ho an’ireo ankizy na tanora tafavoaka velona amin’ity resaka hala-jaza ity dia tena mila tohana avy amin’ireo manodidina azy. Mila tohana ara-tsaina hanarenany ny takaitra sy ny horohoro any anatiny avy amin’ireo psykology matihanina. Torak’izany ny ray aman-dreny izay fadiranovana manoloana ny herisetra nianjady amin-janany izay mila ho lasa adala mihitsy ka mila izany tohana ara-tsaina izany koa.
Tatiana A




