Fahadiovan’ny tanàna: voarara ny mandrora, manipy fako eny an-dalambe

Fihetsika mila fehezina ny fandrorarorana sy fanisinan-delo na fandrehofana…. eny rehetra eny. Andoavana sazy ny fanipazana izany eny amin’ny lalam-bahoaka. Sady mandoto tanàna no tsy fahalalam-pomba.

Efa fantatra fa voarara kanefa fahazaran-dratsy na iniana atao ny fanaovana maloto eny rehetra eny. Mampahafantatra ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Voarakitra ao anatin’izany ny fandikan-dalàna ho an’ireo mamany na mangery na mandrora sy mandrehoka ary manipy fako eny amin’ny lalana na kianja na toeram-bahoaka.
Izay tratra manao izany dia tsy maintsy mandraoka avy hatrany ny loto nataony eo no ho eo. Didiana handoa sazy 50 000 Ar ihany koa ho setrin’ny fandotoana nataony. Voarakitry ny andinin-dalàna laharana 31, 87 ary 89 ao amin’ny CMH izany.
Mamonjy toeram-pivoahana rehefa misy mahaporitra fa tsy tokony hatao eny an-dalambe. Ireo mpatory an-tsena sy mpatory an-dalana rehefa alina dia maneraka ny sisin-dalana ny diky sy ny amaniny ary tsy misy mahita ny fanaovan’izy ireo izany, hany ka tsy voafehy ny fanaraha-maso. Tsy mihatra ny sazy. Miandry arahi-maso foana ihany koa vao manara-dalàna sy mahalala manaja ny fahadiovana ny sasany.
Adidy sy andraikitry ny tsirairay ny fanajana ny fahadiovana. Ny famaniana na fanipazana diky eny rehetra eny, na ny fandrehofana sy fandrorana, indrindra koa ny famelana ny biby hanao maloto ankalamanjana, dia voararan’ny lalàna tanteraka. Tsy maintsy manadio eo no ho eo izay tratra manao izany.
Tompon’andraikitra amin’ny fahadiovan’ny manodidina avokoa ny mpampiasa lalana na ny mpandalo na ny mpamily. Voasazy vonodina ihany koa izay manipy fonosana na inona karazany na inona, amin’ny lalana, kianja na toeram-bahoaka, ambonin’ny fanatanterahana ny sazy voalaza amin’ireo andalana 31, 87 ary 89 izay mifototra amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahadiovana.

Randria

Partager sur: