Valanaretina Mpox: maharaka ny toeram-pandraisana ny marary

Tsy nisy tranga vaovao amin’ny valanaretina Mpox voatily ny sabotsy lasa teo, araka ny vaovao nomen’ny Cousp nasionaly. 3 589 ny tranga voamarina nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny faran’ny herinandro teo. 2 865 ny sitrana ary 23 namoy ny aina ka ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida no maro anisa amin’ireo. 69 ny distrika nisehoan’ny tranga. Eny amin’ny CHU Andoha­tapenaka no raisina an-tanana ny marary voamarina fa voan’ny Mpox eto Antananarivo ary maharaka tsara ny toeram-pandraisana hatramin’izao, hoy ny tomponandraikitra.
Manana ny vaksiny miaro amin’ny Mpox ny tobim-pahasalamana rehetra fa misy ny fandaminana ataon’ny mpitantana ny CSB momba ny andro handraisana ireo hanao vaksiny. Fatra roa no atao ka mielanelana iray volana ny fanatanterahana azy ary mahazo taratasy manamarina ny fahavitan’ny vaksiny.
Ho an’ny olona hivoaka ivelan’ny Nosy, misy ireo firenena mangataka ny taratasy nahavitana ny vaksiny fatra roa mialoha ny hiondranana. Tena sarotiny amin’io fepetra io ny mpiandraikitra eny amin’ny seranam-piaramanidina rehefa naharay toromarika avy amin’ireo firenena handray ny mpandeha avy eto Madagasikara.
“Afaka manao ny asa andavanandro ireo nahavita vaksiny ary tsy misy ny tranga hafa (effet secondaire) ateraky ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny Mpox”, hoy ny mpitsabo.

Vonjy

Partager sur: