23 taona ny Sata afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny vahoaka mifandraika amin’ny zon’ny vehivavy, antsoina koa hoe: “Protocole de Maputo”.
Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’ny famolavolana ity sata ity i Madagasikara, ny taona 2003. Nanao sonia izany ny taona 2004. Tsy mbola nanao ny fankatoavana kosa nefa hatramin’izao isika ka nanao adisisika ny firaisamonim-pirenena efatra. Ny Filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara (CNFM), ny Coalition SDSR ao anatin’ny FGE, ny African Women Leaders Network Madagascar (AWLN) ary ny Women Lead Movement Madagascar ireo nanatanteraka izany. Omaly, teny Antaninarenina no nanambaran’izy ireo ny maha zava-dehibe ny firosoana amin’ny dingana fankatoavana izany sata izany.
Hahafahan’ny vehivavy malagasy misitraka ireo zo mitovy amin’ireo vehivavy any amin’ireo firenena afrikanina 46 efa nankatoa ny fankatoavana izany. Fifanarahana lehibe indrindra natsangan’ny Vondrona afrikanina ho fiarovana sy fampivoarana ny zon’ny vehivavy sy ny tovovavy ny “Protocole de Maputo”, araka ny fanazavan-dRamparaoelina Tendry, avy amin’ny FGE.
Miantoka ny zon’ny vehivavy amin’ny sehatra maro: zo handray anjara amin’ny raharaha politika, fitovian-jo ara-toekarena sy ara-tsosialy, fiarovana amin’ny herisetra, sy ny maro hafa. Ny sata izay ahitana andininy 32, miresaka zo 32. Tsy azo sarahina ary mifampiankina ny zon’olombelona ka tsy misy zo iray afaka miantoka tanteraka raha tsy voahaja miaraka amin’ny zo hafa rehetra. Manao antso amin’ny fanjakana malagasy ny firaisamonim-pirenena hankatoa ny satan’i Maputo, hampiditra sy hampifanaraka ny fepetra rehetra ao amin’ny sata ao anatin’ny lalàna nasionaly. Paikady amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fankatoavana izany, satria ho voaaro, salama, hahazo fahalalana sy fanabeazana ny tovovavy sy ny vehivavy. Eto Madagasikara, vehivavy 298 (15 taona -49 taona) amin’ny zaza teraka velona 100 000 no maty vokatry ny fitondrana vohoka na koa mandritra ny fiterahana, araka ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana MICS 2025.
Vonjy




