TARATRY ny KANTO

Dozzy Njava sy Teta, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Anio, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany ity fiarahan’ny samy andrarezina ity. Mazava loatra fa manodidina ny mozika avy any Atsimo, ny tsapiky sy ny beko, sns, no holalaovin’izy roa lahy mandritra izany. Vahiny manokana mandritra ny seho i Tsy Miady, mpanakanto mpiangaly ny tsapiky, avy any Atsimo ihany koa.

Hisy ny sehatra malalaka ho an’ny slam-poezia, anio. Etsy amin’ny CGM Analakely, manomboka amin’ny 3 ora izy ity, hanentanana ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao tena havanana amin’ity taranja ity. Manana 3 minitra avy, eny an-tsehatra, ireo te handray anjara. Malalaka toa ny sehatra ihany ny lohahevitra.

Rakema Blues Band, etsy amin’ny Garage Rock Café 67 Ha. Manomboka amin’ny 8 ora alina ny seho, hitondran-dRakema, Tax ary i Tino ireo mpankafy ny blues any amin’ny tontolon’izy ireo. Tsy lavitra an’izay ny gadona rock izay nahafantarana ireto mpanakanto ireto ihany koa. Hisy ny hira malagasy, maro koa ny hira vahiny haverin’izy ireo mandritra izany.

Partager sur: