Ny teo ihany tokoa no miverina amin’ny ankapobeny, eto Madagasikara. Iza no tsy nahatsiaro ny lahatenin’ny filoha Rajoelina Andry, efatra andro nialoha ny fionganany. Nahoraka ny siaka nataony tamin’ny mpanohana azy teny Iavoloha, nandritra ny fihaonambe ho an’ny tanora. Hentitra ny fiampangany ireo mpisolelaka ho rangory fototry afo amin’ny famorihana ankolaka azy. Mazava ho azy fa niafara tamin’ny fahaverezan’ny sezany.
Indro namerin-desona ny lehiben’ny governemanta, afakomaly. Nangataka izy ny mba ny zava-misy marina no hotaterina amin’ny lehibe isan’ambaratonga. Tsy tokony homena toerana ny fisolelahana. Izay mahazatra ny Malagasy maro tokoa hatrizay, indrindra eny anivon’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tsy voatery ny ambany no te hisolelaka fa ny ambony mihitsy no maniry sy tia hisolelahana. Amin’ny sehatra fanaovana politika matetika no misy izany.
Tsy mahagaga fa rehefa tampohim-pahefana na niangaran’ny vintana matetika ny olona iray dia mitsingevana hatramin’ny zanakatidohany. Tsy mahazo aina raha tsy dokadokafana sy indrahindraina. Iza no homen-tsiny raha mahazo vahana ilay kolontsaina maka 19? Iaraha- mahalala rahateo fa ny fiainana efa manahirana amin’ny ankapobeny, ka raha ny fanaovana tompoko tompoko ve no hihinanan-kanina, inona tokoa no olana?
Ny sain’ny zanakolombelona mihitsy no efa voabaikon’ny voninahitra, ka sarotsarotra ho an’ny mpisolelaka sy ny hisolelahana no hiala moramora amin’ny fahazarana. Ny zava-dehibe dia ny fahatsapan-tenan’ny mpitondra amin’ny fomba ratsy efa namohehatra sy nanimba. Ny rehetra miara-mientana no afaka miala amin’ny kolontsaina voazanaka. Sarotra rahateo ny miala amin’ny mahazatra. Ny tanana efa zatra mitsotra, manahirana ny hamoritra azy tampotampoka eo.
r.r




