“Fahasambarana Mandrakizay”. Io no lohahevitra nentin’ny fiangonana Vavolombelon’i Jehovah nifampizarana tetsy amin’ny Coliseum, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 25 000 ireo olona tonga nanatrika ny hesika. Fiangonana 101 avy eto an-dRenivohitra no nanatrika izany, amin’ireo fiangonana Vavolombelon’i Jehovah miisa 875 manerana ny Nosy. “Iza ny olona tsy maniry ny ho sambatra?”, hoy Rasoloarison Andry, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Antananarivo.
Nodinihina nandritra izany ny fomba ahitana fahasambarana maharitra amin’ny alalan’ny foto-kevitra ara-Baiboly azo hampiharina amin’ny fiainana andavanandro, na inona na inona olana atrehina.
Fivoriambe 104 mitovy amin’ity no karakaraina manerana ny Nosy, hatramin’ny volana aogositra. Aseho amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena miisa 19 ity fandaharana ity, mandritra ny taona.
Navoaka isan’andro nandritra ny fivoriambe ihany koa ireo fizarana faha-4, faha-5 ary faha-6 amin’ilay horonantsary “Ny Tantaran’ny fanompoan’i Jesosy”. Mizara 18 izany ary miorina tanteraka amin’ny fitantaran’ny filazantsara ka manampy hahatakatra ny fomba fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany tety an-tany.
Maherin’ny 6 000 ireo fivoriambe, amin’ny fiteny mahatratra 500, nokarakarain’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taon-dasa.
Tatiana A




