Taorian’ny fahavoazana sy ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani tao amin’ny “Laboratoire ACSSQDA”, niroso tamin’ny asa fanarenana ity fotodrafitrasa ity ny fanjakana. Vita tanteraka izany ary niverina ho toy ny vaovao indray, natao araky ny fenitra ahafahany mahatohitra rivodoza sy loza voajanahary mety hitranga.
Araka ny fangatahan’ireo mpianatra sy ny toromarika nomen’ny PDS, nitarina hatramin’ny rahampitso ny faradoboka bakalorea maimaimpoana atolotry ny kaominina. Tena ilain’ny mpianatra io ary fotoana hanomezana ireo toromarika faramparany amin’ny fiatrehana ny fanadinana.
Nanao fampahafantarana ireo asa sy iraka ary fitsirihana ara-teknika tampoka an-dalambe ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia. Ity farany, Antokondraharaham-panjakana, izay anisan’ny miantoka ny filaminana, ny fandriampahaleman’ny fifamoivoizana ary ny fampanarahan-dalàna ara-taratasy sy ara-teknika ireo fiara mifamoivoy…




