Kasaina ho eto Madagasikara : 50 taona an-tsehatra i Voahangy

Feo miavaka. Taona maro, tsy teto an-toerana… Marobe ireo efa mangetaheta ny haheno ny feony miainga avy eny an-tsehatra indray… Fantatra izao fa manana fikasana ny hankalaza ny faha-50 taona niakarany sehatra, eto Madagasikara, i Voahangy, amin’ny taona 2027. Ho an’ny mpitia zavakanto, anisan’ny andrasana fatratra ny ho tohin’ity fikasana ity. Raha tsiahivina, mpamoron-kira sady mpihira, manana ny fahaizany manokana amin’ny famoahana ny ambaran’ny tononkira i Voahangy. Vokatr’izay, maro ireo mpamoron-kira niara-niasa taminy. Anisan’izany Raindimby, Clo Mahajanga, Delacre (Black Jacks), sns.
… Mivelatra amin’ny sehatra lehibe ny lohahevitra voarakitr’ireo hira kaloin’i Voa­hangy. Fitiavana (tanindrazana, olon-droa, ray aman-dreny…), fanabeazana sy fitaizana, finoana sy vavaka… Tsy afaka am-bavan’ny Malagasy ny « Antitra izy », « Tora-bato miverina », « Ialahy letsy », « Vadiko »…
Amin’ny ankapobeny, ny gadon-kira somary malefaka no ahafantarana ity mpanakanto ity. Zava-dehibe ho azy kosa ny fisian’ny vontoatin’ny tononkira, mavesa-danja. Mi­tondra ny mahasoa ho an’izay rehetra maheno azy. Ho an’ny mpahay mozika sy ireo mpankafy ny sanganasa hirainy: « tahaka ny natokana ho azy mihitsy ny namoronana ireny hira nohirainy ireny. Sahaza ny feony sy ny fihetsika ananany eny an-tsehatra ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: