KMF/Cnoe: “Tokony hamoaka paikady mazava ny mpitandro filaminana”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’nyKMF/Cnoe. Nambaran’izy ireo fa tena ilaina ary tokony ho hentitra ny fiarovana ny vahoaka.

“Tokony hamoaka paikady hiarovana ny Malagasy amin’ny asa ratsy ny mpitandro filaminana, indrindra ahazoan’ny Malagasy manana fahatokisana fa manana mpitandro filaminana mahaaro azy izy” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fana­beazana olom-pirenena, i Namearison Robert, manoloana ny tsy fandriampahalemana noho ny olona very sy maty etsy sy eroa. Porofo tokony hampieritreritra ny mpitandro filaminana izao fa marefo ny fitandroana filaminana eto Madagasikara. Mbola tsy voaantoka tsara ny zo ara-pilaminana tokony hositrahin’ny Malagasy. To­kony hapetraka fa vitany ny mametraka paikady mihoatra noho izay apetraky ny mpanao ratsy. Tsy hoe rehefa mitaky ny zony ny Malagasy dia vitan’ny mpitandro filaminana ny mampiasa paika sy hery. Amin’izao, anjaran’ny Mala­gasy indray ny manantena azy.
Misy dingana ezahin’ny fitondrana hiakarana dia tsy maintsy misy an’io fihozongozonana kely io. Ho an’ny olom-pirenena, tokony samy hitandrina: tsy mandeha irery, tsy mandeha amin’ny toera-mangina… Tokony ho sahy hitoroka rehefa misy trangan-javatra. Tsy misy tsy hitan’ny olom-pirenena, fa indraindray rehefa tsy mahakasika azy dia tsy heverina ho tsy olana. Fo­toana ijoroana sy anomezan-tanana ny mpitandro filaminana izao. Tokony hampiseho ny fisiany kosa ny fitondram-panjakana. Amin’ny fanomezana antoka ny vahoaka amin’ny haino vaky jery izany fa manana paikady izy, fa tsy miasa tsy fantatra any… Izao, toa mahatsiaro tsy manana raiamandreny miahy azy ny vahoaka. Famonoana afo no misy: maty ny olona vao mitondra fanazavana, tsy hita ny olona vao manao fikarohana. Maninona raha mijoro sy miresaka amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana fa misy izy ary misy paikady ataony hanomezana antoka ny ain’ny olom-pirenena?

R. Nd.

Partager sur: