Mamirifiry ny hatsiaka : Mitombo ny olona mamonjy toby fialofana

Misokatra ho an’ireo tsy manan-kialofana ny Madcap Isotry, indrindra amin’izao hatsiaka be izao. Nizara sakafo tao ny fanjakana ka olona 230 no nisitraka izany.

Rehefa vanim-potoan’ny orana sy ny hatsiaka dia mamonjy ireny toerana fatorian’ny tsy manan-kialofana ireny ireo olona mpatory an-tsena. Mafy ny hatsiaka amin’izao ririnina izao, misy koa ny erikerika mamirifiry ka tsy azo antoka intsony ny fatoriana an-tsena ho azy ireny.
Mandray ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo ny Ex Madcap, etsy isotry. Misokatra ho azy ireny ny toerana, ny alina manontolo ary mivoaka mamonjy asa andavanandro indray ny maraina.
Mpangataka amoron-dalana, mpanasa lamban’olona, mpibata entana eny Anosibe, mpitarika kalesy…ny ankamaroan’ireo mitoby ao. Tafakatra hatramin’ny 300 ireo matory ao amin’ity toerana ity rehefa tena fotoan’ny orana sy ny fiakaran’ny rano.
Tsy maintsy manaraka ny lamina apetraky ny lehiben’ny toerana ireo rehetra tonga mialokaloka ao. Ahitana zaza amam-behivavy, zokiolona, vatan-dehilahy ireo mpatory ao. Misy amin’izy ireo tsy salama kanefa tsy maintsy miara-matory amin’ny toerana iray avokoa.
Nahatsiaro ireo tsy ma­nan-kialofana miantrano ao amin’ny Madcap ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra sakafo mafana, hiadiana amin’izao ririnina mamirifiry izao. Sakafon’ny firaisankina no niantsoana izany ka fianakaviana 230 no nisitraka.
Niarahan’ny minisitera ta­min’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA) ho fanohanana ireo fianakaviana marefo no natao tamin’izany. ‎Ankoatra ny fizarana sakafo, nisy fanadihadiana ara-tsosialy koa natao tamin’ny isam-batan’olona mba hahafantarana ny filàna sy ny olana sedrain’izy ireo.
Nanampy izany ny fanentanana momba ny fanabeazana, ho fanamafisana ny maha zava-dehibe izany eo amin’ny fiainan’ny ankizy sy ny fianakaviana.‎ Tanjona ny hijery akaiky ny zava-misy iainan’ireo fianakaviana tsy manan-kialofana sy hitadiavana vahaolana maharitra hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: