Ao anatina tabataba sy tebiteby ny fiarahamonina amin’izao? Zaza very atsy, ankizy tsy hita aroa… Eny, misy hatramina olon-dehibe aza. Hanao ahoana ihany? Tsy lavina, efa tena mandray andraikitra tandrify azy avy ny tomponandraiki-panjakana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga: miandry fampitam-baovao malaky, mangataka tolo-tanana amin’ny fifarimbonana sy firaisankina. Mampihoron-koditra ny tarehimarika: ankizy 172 no hoe very manerana an’i Madagasikara, nandritra ny enim-bolana farany: 164 filazana fahaverezana, 8 no namoy ny ainy.
Efa mandeha ny fikarohana… lalina. Inona marina no antony? Mandeha koa ny tombantombana etsy sy eroa: politika, fanakorontanana… ? Sanatria, izay aza no toa tena mampitebiteby. Tsy hita intsony izay hatao? Eny, na izay aleha sy olona atokisana aza… Misy tonga amin’ny resaka sarotra inoana, mahita ka milaza fa hoe atao sorona. Mba marina? Toy ny fakana na fangalarana zaza manana toe-tena varira… Hatao sorona na hanaovana ody amin’ny hoe masobe tsy mahita, hono. Atao hono, ny raharaha, fa tsy fantatra intsony izay marina: ndrao manely tsaho, manakorontana ny efa misavorovoro…
Ny amin’izay anton-javatra marina izay no tena tokony ho fantatra sy hampahafantarina. Tsy avela ho vitavita sy tsy hitahita ho azy amin’izao; eny, na lazaina hoe efa atao sy mandeha aza ny fanadihadiana. Hatramin’izao, efa 30 taona mahery izay, ohatra, no nisian’ny halatra taolam-paty, tsy fantatra izay tena antony: atao inona, alefa aiza, iza no ao ambadika… ? Mba fantatra antony ahay… Toy izany ny amin’ny fangalarana zaza na ankizy manana toe-tena varira; eny, na ny hala-jaza amin’izao aza. Aleo fantatra ny antony hitandremana, tsy hisian’ny tsaho sy fanakorontanana…
R. Nd.




