Tontolon’ny fandrahoan-tsakafo. Endrika tsy zoviana i Marius Rafiakarana. Iray amin’ireo nitondra fivelarana lehibe eo amin’ny haify. Mandia ny faha-40 taona nirotsahany tao anatin’io sehatra io izy, ankehitriny.
«Nanaraka ireo antanantohatra rehetra takin’ny fomba fahandroan-tsakafo aho », hoy i Marius Rafiakarana, izay mandia ny faha-40 taona nandalinany ny tontolon’ny haify. Ilaina hatrany ny mandranto fahalalana ho fanatsarana sy ho fampivelarana ny tontolo misy ny tena. Ny reniny no tomponandraikitra voalohany tamin’ny fahandroana ny sakafon’ny filoham-pirenena malagasy voalohany. « Isaky ny sabotsy, manaraka an’i Neny handeha hikarakara ny sakafon’ny filoham-pirenena tamin’izany aho », hoy izy.
Taona 1987, tao amin’ny trano fisakafoana iray lehibe any Antsirabe no nanombohan’i Chef Maruis Rafiakarana ny diany ho amin’ny fandalinana ny tontolon’ny haify. Ny fanadiovana ny toeram-pivoahan’ity trano fisakafoana sy fandraisam-bahiny ity no niandohany, tamin’izany. Teo no nahazoany ilay anara-petaka hoe: “Mr Pipi”, raha ny nambarany. Anisan’ny efa niantsorohany ihany koa ny fanasana lovia, fitaterana ireo sakafo ho eny ambony latabatr’ireo mpanjifa ary ny naha tomponandraikitra voalohany azy teo anivon’ny toeram-pisakafoana. Tombony ho azy ny nanarahany ireo fiofanana marolafy tany dilambato. Fizahantany, fandraisam-bahiny, fikirakirana ny sakafo (Frantsa). Efa niofana tany Japon ihany koa izy. Tsiambaratelon’ny fahombiazana, ho azy, ny fananana faharetana, fanantenana, finoana ary ny fanankinana mandrakariva amin’Andriamanitra ny fiainana.
« Tiako hozaraina amin’ny rehetra ireo traikefa sy tsiambaratelo azoko, tamin’io lalan-davitra io, sady valimbabena rahateo izany… Noho izany, manome fiofanana etsy amin’ny “Le K” By-pass Alasora, aho », hoy ny Chef Marius Rafiakarana. Tsy mionona amin’ny sehatry ny haify fa hivelatra amin’ny fomba fitantanana orinasa, ny fifandraisana amin’ireo mpanjifa ary hanome ireo paika tsara ho fantatra anatin’ny tontolon’ny haify, ny fiofanana.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto




