Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanadinana bakalorea. Anisan’ny ifotoran’ny tomponandraikitra ny ady amin’ny fiparitahan’ny laza adina. Miara-miasa ny polisy sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony
Nanao sonia fiaraha-miasa, omaly, teny Anosy, ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur général de police, Erick Michel. Ny fiarovana ny fanadinam-panjakana bakalorea no nifanarahana eo amin’ ny roa tonta. Hiompana amin’ ny veille numerique ny asa lehibe, satria efa mahazo vahana ny fampiasana ny tambajotran-tserasera, hanakorontanana ny sain’ny mpiadina sy ny ray aman-dreny momba ny laza adina hosoka. Manana sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka ny departemantan’ny filaminam-bahoaka hanenjehina ny olona manaparitaka laza adina sandoka hakana vola. Maro ireo olona nilaza fa manana laza adina eny amin’ ny tambajotra no nandraisana fepetra manokana, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Fampianarana ambony, Raherinirina Angelo.
Sahia mitoroka
Raha misy tranga hita eny amin’ny tambajotra na eny amin’ny fiarahamonina momba ny fivoahana laza adina, entanina ny rehetra hitoroka eny amin’ny tomponandraikitra.
Nanamafy koa ity tomponandraikitra ity fa tsy mahazo miditra ny faritry ny foibem-panadinana ny finday. Hisy ny fisavana manomboka eny amin’ny vavahady fidirana ka hatrany amin’ny efitrano tsirairay. Azo lazaina ho fahadisoana ny fitondrana ny finday ka mampitandrina izy ireo satria ho hentitra ny fanarahana ny fepetra.
Fanaraha-maso no andraikitry ny veille numerique ka hisy fiaraha-miasa hametrahana sehatra ifampizarana vaovao sy ireo ahiahy rehetra. Tsy tokony hitarazoka ela ny fandraisana andraikitra raha misy fandikan-dalàna fa afaka mandray avy hatrany ny fepetra tandrify azy izy ireo.
Vonjy
.




