Minisiteran’ny Fanavaozana: «Ilaina ny fanovana toe-tsaina»

Napetraka tamin’ny fom­ba ofisialy tao Toama­sina ny talem-paritry ny minisiteran’ny Fanavaozana. Voatendry ho amin’izany, ho an’ny faritra Atsinanana, i Boizy Blandine, raha Aldine Bernadette kosa ho an’ny faritra Analanjirofo. Nitarika izany ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafi­ma­nan­tsoa Hanitra. «Hiton­dra fanavaozana lehibe eto amin’ny firenena ity minisitera ity ka zava-dehibe takina amintsika olom-pirenena ny fanovana toe- tsaina. Vonona hanova, hitondra ny tsara sy tena hitia ny firenena», hoy izy. Na­tsidiny koa fa ilaina ny fanovana ny lisi-pifidianana mba hametrahana fifidianana lavitry ny hala-bato, hahatongavana amin’ny fananana olom-boafidy araka ny safidim-ba­hoaka. Mba ho filoham- pirenena voafidy ara-demokratika tanteraka no ho eo.
Etsy andaniny, nambarany koa fa mba ho lavitry ny kolikoly ireo sampandraharaham- panjakana rehetra. «Hape­traka ny tomponandraikitra aty hisahana ny fanentanana ifotony hiatrehan’ny rehetra sy andraisan’ny Malagasy rehetra anjara biriky, hitondrany ny hevitra ho amin’ny fikaonandoham-pirenena, hotarihin’ny FFKM», hoy ihany ny minisitra.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: