Hisy ny fanomezam-boninahitra an’i Clarisse Ratsifandrihamanana. Hatao eny amin’ny Akademia Malagasy ny hetsika, rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Amin’ny maha mpanoratra sy olon’ny literatiora azy, nanamarika vanim-potoana teto Madagasikara no antony. Hiverenana horesahina mandritra izany ireo sanganasany maro. Tohin’ny fitokanana ilay efitrano fampirantiana mitondra ny anaran’i Clarisse Ratsifandrihamanana ao amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ny hetsika.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny andiany voalohany tamin’ilay hetsika “Tulear Festival de film de l’Océan Indien sur la mer”, na ny T.FFOIM. Nisy ny fandefasana horonantsary sy sarimihetsika tamina toerana vitsivitsy tao Toliara, izay mivoy ny lohahevitra manodidina ny ranomasina, ny olombelona ary ny tontolo ivelarany. Maromaro ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika no tonga tany an-toerana.
Handray anjara ihany koa amin’ny “Génération 2000” ny tarika ‘Zay. Izy ireo, araka izany, no tarika tsy ampoizina izay nambaran’ny mpikarakara, handray anjara amin’ny seho ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 19 jolay izao. Tsy nambara izany raha tsy efa fantatra fa tapitra tanteraka ny tapakila amin’ny seho izay hataon’ny tarika ‘Zay ny 26 jolay, izany hoe, ny herinandro manaraka an’io, ao amin’ity toerana ity ihany. Porofo iray ity fa mbola manana ny toerany ao am-pon’ny mpankafy ny tarika.




