Vao mainka atahorana ny piraty: Tsy afa-mivelatra ny tontolon’ny boky

Fanaovana dika mitovy na fisandohana an-karihary. Fo­toana ela no efa niadiana ta­min’ny fanaovana piraty. Ha­tramin’izao, tsy mbola mivaingana sy misongadina manoloana ireo tena tompon’ny sanganasa ny vokatra azo. Mitombo isa ny mpivarotra boky eny amoron-dalana. Re­hefa tomorina akaiky, dika mi­tovy miloko avokoa no nanaovana azy ireny. Sady tsy na­nonta ny trano vanaovam-pirinty no tsy namoaka ny editora… Ny tompon’ny sanganasa, variana tanteraka. Na boky vahiny na boky nosoratana Malagasy. Tazana eny amoron-dalana avokoa. Tran­ga anisan’ny hampitotongana ny varo-boky manara-dalàna. Azo antoka fa hanaraka izany ihany koa ny vitrika ananan’ny mpanoratra. Maro amin-dry zareo na ny taranany no efa tonga eo amin’ny tsy afa-manoatra sy tsy afa-manohitra.
Manomboka manangona ny fitaovam-pianarana, ankehitriny, ny ray aman-dreny. Tafiditra ao anatin’izany ny boky. Ny tsy tazana eny amin’ny trano fivarotam-boky, hita eny an-tsisin-dalana, sady amin’ny endriny vaovao. Tsy afa-mivelatra ny tontolon’ny boky raha tsy mbola voafehy ny piraty na ireo mpanao dika mitovy. Niha nahazo vahana, rahateo, izy ireo noho ny fisi­an’ny fitaovana harifomba hoenti-manatanteraka izany.
Tahaka ny atao maneran-tany. Mila hiverenana omena aina vao indray io tontolon’ny boky io ho an’i Madagasikara. Nanomboka ny taona 1975 ka hatramin’izao. Noho ny tsy fahampian’ny fampiasana ny boky. Mitombo andro aman’alina ny fahantrana ara-tsaina eo amin’ny Malagasy.

HaRy
Razafindrakoto

Partager sur: