Ny Sômaroho indray izao no mitana ny lohany amin’ireo festivals manerana an’i Madagasikara. Tao anatin’ny taona maro fa tsy vao izao no nametrahan’i Wawa ny lazan’ity hetsika ara-kolontsaina mampiavaka an’i Nosy Be ity. Hotontosaina ny 5 hatraminin’ny 9 aogositra ny Somaroho, any Nosy Be, amin’ity. Nisy ny fihaonana teo amin’i Wawa sy ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagascar, Andraharo. « Ho avy amin’ity i Shenseea. Tsy mora ny manafatra vahiny mpanakanto, indrindra ireo efa tena malaza maneran-tany. Fa fitiavana no nanaovanay ny Somaroho, ho fampifaliana ny Malagasy », hoy ny fanazavan’i Wawa.
Tsy moramora tokoa, saingy soa fa efa maromaro ireo mpanakanto malaza avy any ivelany nafaran’i Wawa, ka nametraka ny lazany sy ny Festival Sômaroho !. Tsy iray ihany mantsy no hafarany isaky ny andiany. Amin’ity, ohatra, mbola ho avy any Nosy Be koa i Zily, mpanakanto malaza any La Réunion.
Miezaka manambatra foana ny faritany 6 izy ireo isaky ny andiany, satria na dia any Nosy Be aza, an’i Madagasikara ny hetsika. Maromaro koa ireo naman’i Wawa hasaina amin’ity, toa an-dry Basta Lion, Jior Shy, Rijade, Maman’i Tsololo, Théo Rakotovao, Djino, Tence Mena, Wendy Catalina, Parish, sns.
Zo ny Aina




