Fitoriana an-kira : 60 taona ny antoko mpihira Anjomara Frenjy

Febroary 1966, tetsy amin’ny foibe Frenjy Faravohitra, teraka ny antoko mpihira Anjo­mara Frenjy. Ankehitriny, sampana mijoro eo anivon’ny FJKM Ambalavao Isotry izy io. Antom-pisian’ny Anjomara Frenjy (AFAI) ny hitory sy ha­napariaka ny Filazantsara voarakitra anaty Baiboly sy ireo toriteny eny anivon’ny fiangonana. Ireo, rahateo, no akora fototra entin-dRakotoa­risoa Raymond mandrafitra ireo tononkiran’ny antoko mpihira Anjomara Frenjy.
Tsangambaton’ny faha-60 ny namoahan’izy ireo « Usb » mirakitra ny sanganasany mi­isa 10. Hitohy amin’ny rindran-kira goavana “Antsam-piderana” hotanterahina ny voalohan’ny volana novambra, etsy amin’ny Havoria Anosy, ny fo­toam-pankalazana. Nomarihin-dRaharisoa Aimée, filohan’ny Anjomara Frenjy, fa ho matihanina tanteraka ny seho hatolotr’izy ireo. Ezaka hotratrarina ny hananan’ity antoko mpihira ity fanamafisam-peo hoenti-manatanteraka ny asa fitoriana iantsorohan’izy ireo.
Teny fanevan’ny faha-60 taona : “Ianareo izay mpampahatsiaro an’i Jéhovah, aza mi­tsahatra; Dia mihirà amin’ny fo­nareo tokoa ho an’Andria­ma­ni­tra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina”.
Ahitana mpikambana sa­mihafa finoana toy ny katolika, adventista eo anivon’ity antoko mpihira ity. Mihira sy mitendry amina gadona milamina sy ny mihetsika (salegy, bagasy, gospel, zafindraony, sns) izy ireo. Misy ny soradihy sy ny dihy mirindra atao rehefa eny an-tsehatra, hanamorana ny fampitana ny hafatra raiketin’ireo tononkira.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: