Manandratra ny vita malagasy: Lasa ambasadaoron’ny World Cola i Denise

Dingana iray indray ho an’i Denise. Tetikasa maro no iarahany manatontosa amin’ny World Cola, manomboka izao. Fampiroboroana hatrany ny vita malagasy no tanjona.

«Mahafaly anay ny mampahafantatra anareo fa ma­nomboka anio dia ambasadaoron’ny World Cola i Deni­se». Io ny nambaran’i Randja Bryan, tomponandraikitr’ity zava-pisotro vokarin’ny orinasa Star ity, omaly, tetsy Anko­rondrano. Tontosa, nandritra izany, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny World Cola sy i Denise, mandritra ny herintaona aloha. Anisan’ny antony niantefan’ny safidy tamin’ity mpanakanto ity ny fananany mpanaraka maherin’ny 1 200 000 any anaty tambajotran-tserasera, ankoatra ny lazany eto an-tanindrazana, hatrany ivelany.
«Mirehareha sy manohana hatrany ny vokatra malagasy aho, ka mitovy fijery amin’ny World Cola. Izay ataoko rehetra, na fitafiana, taovolo, mozika, sns, dia vita malagasy avokoa», hoy i Denise. Mana­na tetikasa maro iarahana ny roa tonta, izay manodidina ny fampiroboroboana ny zavakanto malagasy eto, hatrany ivelany, indrindra ny fanandratana ireo talenta vao.
Maro ireo hetsika ho avy hotontosainy, ahitana an’i Denise ato ho ato. Akaiky indrindra ny seho iarahany amin’i Jaojoby ny 31 jolay izao, ao amin’ny La Balan­çoire. Manaraka avy eo ny ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 2 aogositra izao, iarahany amin’i Shyn, Ceasar ary i L Jo. Goava­na indrindra kosa ny «Makua Festival» any Toa­masina, ny 29 oktobra hatramin’ny 1 novambra, satria sady anisan’ny mpikarakara no mpandray anjara feno ihany koa i Denise. «Efa mandamina ny lafiny tekinika izahay. Hiova amina toerana hafa eny amoron-dranomasina ny amin’ity. Hisy vahiny mpanakanto, ankoatra ireo efa malaza eto Madagasikara. Sehatra ho an’ny mpanakanto vao misondrotra koa anefa io» hoy hatrany i Denise.

Zo ny Aina

Partager sur: