Nahoraka omaly, tamin’ny fitaovana fampitam-baovao fa misy an’izany andrana na « Essai clinique » mahakasika ny Mpox izany eto Madagasikara. Samy nitondra ny heviny sy ny fomba fiheverany azy ny olona. Tsy eny amin’ny hopitaly ihany fa hatrany anatin’ny fiarahamonina rehetra any dia nametra-panontaniana hoe: Inona indray re ity e? Ny fanalalahana ny fivarotam-panafody tsy hita be ihany, koa indro mipoitra indray ny andrana amin’ny resaka fitsaboana.
Matoa mivoaka an-gazety sy eny amin’ny tambajotran-tserasera dia efa vaovao ofisialy izy izay. Tsy misy hiteniteny foana amin’ny zavatra saro-pady tahaka izany. Tsy maintsy loharanom-baovaon’ny fanjakana, hany afaka maka ny fanapahan-kevitra toy izany, no mizara. Eto anefa no hitondrana teny kely indraimbava: hamafiso dieny izao indray ny serasera sy ny fifampizarana. Aza miandry fifanomezan-tsiny indray vao hipepopepo hamono afo daholo.
Iaraha-mahalala fa efa mamono olona ny aretina Mpox eto Madagasikara. Tsy mba iray na roa fa efa am-polony maromaro. Midika izany fa efa loza mihatra ho an’ny fiarahamonina ilay aretina. Tsy tokony ho hamaivanina sy hatao ambanin-javatra velively ny mahakasika azy. Tokony hihazakazaka ny fizaram-baovao amin’ity andrana ity. Tanjona ny hisorohana ny fanakorontanana mety ho lalaovin’ny mpanao politika efa galifantsy ireo.
Lefilefy izao ny resaka hala-jaza ka tsy tokony hisy intsony ny tranga mahakasika ny maharary ny vahoaka, ampirehitra ny afo. Ankoatra ny zanaka izay harena, mbola manamafy koa ny Ntaolo Malagasy fa ny fahasalamana no voalohan-karena. Sao lahy tsy fahampiana mangarahara kely fotsiny dia hanaratsy endrika ilay fanavaozana indray. Mila mailo hatrany Rafanjakana fa tsy kely lalana ny ratsy.
r.r




